Anilanao, Reny malala

1 Anilanao, Reny malala,
 No fialofanay zanakao:
 Sasatra i Satàna mankahala
 Tsy handresy anay, sanatria!
 
2 Ho lavo 'zay miady irery,
 Fa malemy ny herinay,
 'Zay anilanao no mahery
 Fa tohananao, ry Maria!

3 Ny fo vesaram-pahoriana,
 Ny tebitebinay fantatrao:
 Tsy ho lavon'ny hakiviana
 Fa tohananao, ry Maria!
 
4 Raha tonga ilay ora tsy idifiana,
 'Lay fetr'andro ialanay etý,
 Any akaikinao no fodiana
 Hovantaninay, ry Maria!
 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 396
Vavaka sy Hira p. 584
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091