Aleloia! Teny mahatoky tokoa

(2Tim. 2, 11-13, Mt.10, 33, 1Kor. 1, 9))

Aleloia! Teny mahatoky tokoa
Izao teny izao, Aleloia!
 
1 Raha miara-maty amin'i Kristy isika
 Ho velona miaraka aminy koa.
 
2 Raha miaraka aminy miari-pijaliana
 Dia hiaraka aminy hanjaka tokoa.
 
3 Fa raha mandà azy kosa isika:
 Laviny koa anatrehan'ny Rainy.
 
4 Na mivadika aminy aza isika
 Izy tsy mivadika mandrakizay.
 
5 Eny, mahatoky Andriamanitra Ray
 Izay nampiombona antsika amin'ny Zanany.

Nampiditra Belle
Sokajy Aleloia
Fihirana Hasina p. 395
Fihirana Vaovao p. 198
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009