Ho anao, ry Fanahy ô

Ho anao ry Fanahy ô, Aleloia!
 
1 Ho menaka nahoso-bato va re
 Ny herinao, ry Fanahy,
 Sa kosa natao haninteraka
 Ilay fo nofo mbola osa anatinay?
 Miasa mafy lalandava ny Herinao
 Mankahery, mampahomby, raha mibebaka izahay.
 Ianao, ry Hery nomena hampijoro,
 Toavinay ianao, ianao, ry Hery, Aleloia!
 
2 Afo lavitra tsy azo amindroana va re
 Ny Fitiavanao, ry Fanahy,
 Sa kosa natao hanafana
 Ilay fo nofo mangatsiaka anatinay?
 Miredareda lalandava ny Fitiavanao,
 Mandrehitra sy mampitia raha mibebaka izahay.
 Ianao, ry Afo Fitiavana mandoro,
 Raisinay ianao, ianao, ry Afo, Aleloia!
 
3 Ho tehi-marefo mampandringa va re,
 Ny Fahendrenao, ry Fanahy,
 Sa tehina azo ianteheran'
 Ny fo nofo mora lavo anatinay?
 Mitari-dàlana lalandava ny Fahendrenao
 Manoro izay hombana raha mibebaka izahay.
 Ianao, ry Fahendrena tsy tontan'ny ela,
 Derainay ianao, ry Fehendrena, Aleloia!
 
Ho anao, ry Hery, ry Afo Fitiavana ô!
Ho anao, ry Fahendrena ô, Aleloia!
Ho anao Fanahy ô, Aleloia!
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fanahy Masina
Ankalazao ny Tompo p. 436
Fihirana Hasina p. 393
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091