Andriamanitra ô, Tomponay

1 Andriamanitra ô, Tomponay,
 Mba tsofy rano 'reto zanakao,
 Sy ireto vary vokatry ny tany
 Avy amin'ny fanomezanao.
 
Ry Jesoa Tompo Andriamanitray
Matoky anao izahay zanakao;
Jesoa, vonjeo, vimbino izahay.
Fa anao ny fahefana ambony
Indrindra.

2 Andriamanitra ô, Mpanjakanay,
 Topazo maso 'reto zanakao
 Manolotra aminao ny santa-barinay:
 Ho sitraka ataonay aminao.
 
3 Andriamanitra ô, Mpahary anay,
 Tsimbino sy tahio ireo mpiasa,
 Ampio ho vokatra injato heny
 Ny fisasaranay isan'andro.
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 391
Vavaka sy Hira p. 647
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091