Andriamanitra ô, nahoana re ity aho no dia nilaozanao?

Andriamanitra ô, Andriamanitra ô,
Nahoana re ity aho no dia nilaozanao?

(Sal. 21a)

1 Lehibe ny fahotako,
 Ka lavitfra ahy ny famonjena.
 
2 Mba miantso aho, Tompo,
 Fa ianao toa tsy mamaly.
 
3 Nino anao ny razanay,
 Ka ianao nanafaka azy.
 
4 'Zaho kosa manirery,
 Esoim-bahoaka anie 'ty aho.

5 Mino an'ny Tompo izy,
Aoka ny Tompo hanavotra azy.
 
6 Izy ireo mibanjina ahy
 Ny fitafiako ilokany.
 
7 Mba vonjeo aho, Tompo,
 Am-pelatanam-pahavalo.
 
8 "Zay matahotra ahy Tompo,
 Mankalaza ny anarako:
 
9 Ahy anie ny taon-ko avy,
 Ho hitanao ny indrafoko".
 
10 "Noho ianao nanaiky ahy,
 Ny firenena hovonjeko".


 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Hasina p. 390
Fihirana Vaovao p. 97
Vavaka sy Hira p. 259
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097