Andriamanitra Babanay e

Andriamanitra Babanay e
Mankasitra anao 'zahay
Nagnandefa Jesoa Zanakao ô
Nagniraka ny Fagnahy
Nitsanganan-dRasoamanarivo ô
Ho voninahitrao.
 
1 Anao nagniraka Jesoa Zanakao ô
 Namangy ny tanin'ny Malagasy e
 Mba hitory Vaovao Mahafaly e
 Nampitsangana an-dRasoamanarivo ô
 Izy nino sy nandray ny teninao ô
 Tsy nanaiky ho resin'ny fahavalo
 Mba ho vavolombelon'ny Finoana a
 Tsy voavily hiala amin'izay nekena.
 
2 Jesoa nitory Vaovao Mahafaly
 Namafy hitsimoka am-pon'ny Malagasy
 Ny Fitiavana ambonin'ny zaka jiaby e
 Nitsanganan-dRasoamanarivo ô
 Notandremany sady nampanjakainy e
 Nianany mba hanambara ny hafatrao ô
 Notoriny ny fara-Fitiavanao ô
 Fitaovana nentiny handresy fankahalana.
 
3 Notanterahin'i Jesoa ny Famonjena
 Fanantenan'ireo olom-boafidinao ô
 Ry Victoire Rasoamanarivo
 Tsy mba nety ho resin'ny hakiviana
 Nanantena sy nandray ny famonjena
 Vokatr'ilay voantsinapy nafafinao ô
 Nanagnan-tagnagna magneragna ny Nosy e
 Ny fanantenan-dRasoamanarivo ô.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Olomasina
Fihirana Hasina p. 386
Vavaka sy Hira p. 779
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086