Andriamanitra Andriananahary e, lolohavina ambony

1 Andriamanitra Andriananahary e
 Lolohavina ambony dia ambony (no ambara)
 No ambaran'ny Tompo fa Ray e
 Be fitiavana antsika olombelona e.
 
Ray ô, misaotra anao, ampio 'zahay e
Hanahaka anao, hanjary fitiavana.
 
2 Isan'andro isan'ora Andriamanitra e
 Nahary antsika olombelona, (miantso)
 Miantso antsika ho zanaka e
 Hanao ny sitrak'izy Ray e.
 
3 Fa nafoiny ny Zanany tokana e
 Hitari-dàlana antsika:
 I Jesoa nijaly sy maty e
 Toy izay tsy hiseho ho fitiavana e.

4 Fantatsika ny fiainana an-tany,
 Mandalo toa nofy ririnina;
 Nefa sambatra ireo tafafoha e
 Ao an-tranon'ny Ray, fa zanany e.
 
5 Fa ny antony iainana etoana e
 Ny hivoatra hanjary fitia, (ho endrika)
 Ho endrik' ilay Andriamanitra e
 Fitiavana mandrakizay e.
 
6 Erikerika tara-masoandro e
 Mampitombo ireo tera-bary,
 Ranomaso sy tsikin'ny tany e
 Mampisandratra antsika ho fitiavana e.
 
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 385
Fihirana Vaovao p. 518
Vavaka sy Hira p. 777
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087