Raha misy mangetaheta, aoka izy hanatona ahy

Raha misy mangetaheta
Aoka izy hanatona ahy ka hisotro. (Jn. 7, 37)

(Sal. 62)
 
1 Andriamanitra, Andriamanitra ô, maniry anao aho.
 Mangetaheta anao ny fanahiko.
 
2 Matimaty aminao ny nofoko:
 Mova tsy tany maina sy mangetana, maniry rano!
 
3 Toy ny nahitako anao tao amin'ny toerana masina,
 Sy nibanjinako ny hery sy ny voninahitrao,
 
4 Fa tsara noho ny aina ny hatsaram-ponao
 Ka ny molotro mankalaza anao;
 
5 Toy izany koa no hisaorako anao raha mbola velona aho,
 Sy hanandratako tànana amin'ny anaranao:
 
6 Ka ny fanahiko ho toy ny voky sakafo soa.
 Ny molotro hihoby, ny vavako hidera!
 
7 Eo am-pandriana avy aho no mahatsiahy anao;
 Tontolo alina, any aminao ny eritreritro:
 
8 Fa ianao no mpitahy ahy!
 Mibitaka aho alofan'ny elatrao;
 
9 Ny fanahiko mifikitra aminao
 Ny tànanao mihazona ahy!

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 12
Fihirana Hasina p. 384
Fihirana Vaovao p. 376
Vavaka sy Hira p. 293
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0826