Andeha isika hidera ny olomasina rehetra

1 Andeha isika hidera
 Ny olomasina rehetra,
 Sy ny haben'ny voninahitra
 Nomen'i Jesoa azy ireo;
 Fa izy tsy mijaly intsony,
 Tsy ory fo, tsy mitaraina,
 Sambatra izy, fa efa manana  )
 Ny valisoan'ny nataony.          ) (indroa)
 
2 Mifaly i Jesoa manana azy
 Sy mifankatia aminy
 Atorony azy ny hevitra
 Sy ny herin'i Zanahary;
 Fa i Jesoa no masoandro
 Tsy mety maty hazavana,
 Tsy mitsahatra mamirapiratra )
 Amin'ny olona nofidiny            ) (indroa)
 
3 Ao ny martiry milahatra
 Ambany sainan'i Jesoa,
 Sy mitana ny sampan-kazo
 Avy tamin'ny ra nafoiny;
 Ao 'zay nanoro ny marina
 Sy ny virjiny maro be,
 Sy izay ory tatý fahiny,       )
 Sy izay nanao ny fiantrana. ) (indroa)
 
4 Ao izy rehetra mikambana
 Fanahy sy fo sy fanao;
 Fa ny fialonana ratsy
 Tsy mba amin'izao tany izao.
 Tsy misy matahotra intsony,
 Fa manan-jara tsy halàna;
 Samy mandry am-piadanana  )
 Fa manan-toetra tsy hovàna. ) (indroa)
 
5 Ry olona masina, herezo,
 Ny toetry ny fanahinay!
 'Zahay te hanaraka tsara
 Ny nataonareo fahiny;
 'Zahay te handia ny làlana
 Natoronareo anay.
 Mivavaha ho anay zandry, )
 Ianareo zokinay.               ) (indroa)
 
6 Tanteraka soa aman-tsara
 Ny dianareo tatý;
 'Zahay mbola tanan'ny ady
 Atý amin'ny tany atý.
 Ny andronareo taloha
 Mba nokotranin'ady be,
 Koa 'zahay e mba manantena )
 Hanaraka anareo any.            ) (indroa)
 

Nampiditra Belle
Sokajy Olomasina
Fihirana Dera p. 142
Fihirana Hasina p. 382
Fihirana Vaovao p. 428
Vavaka sy Hira p. 626
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009