Anaovy tononkira vao ny Tompo

(Sal. 117, 1-12)

Anaovy tononkira vao ny Tompo,
Aleloia, aleloia;
Nanao zava-mahatalanjona izy,
Aleloia, aleloia.

 
1 Derao ny Tompo fa tsara fo:
 Mandrakizay ny famindram-pony.
 Aoka i Israely hilaza hoe:
 Mandrakizay ny famindram-pony.
 
2 Aoka i Arôna hilaza hoe:
 Mandrakizay ny famindram-pony,
 Izay tia azy hilaza hoe:
 Mandrakizay ny famindra-pony.
 
3 Izaho, ry Tompo, niantso anao,
 Ary ianao namaly ny feoko;
 Fa ianao no mpamonjy ahy
 Ho sasa-poana izay tsy tia ahy.
 
4 Aleo mitoky ny Zanahary,
 Eny toy izay ireo olombelona,
 Aleo miantso anao, ry Ray,
 Eny, toy izay ireo lehibe.
 
5 Ny firenena mitetika ahy
 Izaho anie tsy maintsy handresy;
 Vahoaka maro manarona ahy,
 Fa izaho anie ampianao, ry Ray.
 
6 Dera sy laza ho an'ny Ray
 Ary ho anao, ry Jesoa Mpamonjy;
 Fanahy Masina herinay,
 Dera ho anao ka mandrakizay.

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Hasina p. 380
Fihirana Vaovao p. 138
Vavaka sy Hira p. 348
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0477