Aminao, ry Iaveh, no asandratro ny fanahiko

(Sal. 24)

Aminao, ry Iaveh,
No asandratro ny fanahiko!
 
1 Fa tsy ho safo-kenatra izay matoky anao;
 Izay mivadi-poana no resy.
 
2 Toroy ahy, Tompo, ireny lalanao,
 Ampahalalao ahy ny soritrao.
 
3 Ampianaro ahy ny fahamarinanao;
 Fa ianao, ry Tompo, no vonjiko.
 
4 Tsarovy re, ry Tompo, ireny indrafonao;
 Maharitra doria ny lazanao.
 
5 Fa tsara sy mahitsy ny fon'i Iaveh;
 Ka ny mpanota ratsy mivalo.
 
6 Ny sitrakao, ry Tompo, dia rariny avokoa
 Tariho lalana aho mba homba anao.
 
7 Zahao ireo mpanota fa tarika marobe
 Kanefa tsy ho resy ny miandry anao.
 
8 Jereo ny fahoriako, ny sentosentoko.
 Esory re, ry Tompo, ny otako.
 
9 Ka raiso ry Iaveh ô, ny fivavahako
 Ho hira fiderana ny hasinao.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Dera p. 65
Fihirana Hasina p. 377
Vavaka sy Hira p. 264
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0177