Ambonin'ny zavatra rehetra ny fitiavana

Ambonin'ny zavatra rehetra ny fitiavana.
Ny fitiavana no ambony amin'ny zavatra rehetra. (indroa)
 
1 Dia izao no famantarana ny tena fitiavana:
 I Jesoa no nanolotra ny ainy ho antsika.
2 Koa tsy maintsy mahafoy ny aintsika koa isika
 Ho an'ireo havantsika: ireo tapaka sy namana.
 
3 Raha misy manam-bola aman-karena eto an-tany
 Ka mahita fa sahirana ilay tapaka sy namana,
4 Nefa kosa manamafy sy manidy fo ny aminy,
 Dia mba aiza ny fitiavan'Andriamanitra ao anatiny?
 
5 Aza mba mitia an-teny na am-bava fotsiny e,
 Fa mitiava amin'ny asa ary amim-pahamarinana.
6 Izay isika no mahalala fa avy amin'ny fahamarinana,
 Ary handry eritreritra anatrehan'Andriamanitra.
 
7 Na manenjika antsika aza izay mba eritreritsika,
 Izy Tompo mbola ambony noho ny eritreritsika...

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 489
Fihirana Hasina p. 377
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1118