Alina soa, mamy tokoa

1 Alina soa, mamy tokoa:
 Efa teraka i Jesoa
 Hafaliana mameno ny fo
 Ho an'izay tsara sitra-po.
 Ô Jesoa Zazakely,
 Mba raiso re ny foko.
 
2 Alina soa, mamy tokoa:
 Ny Anjely manao hoe:
 Voninahitra ho an'i Iaveh
 Fiadanam-po ho an'ny olon-drehetra.
 Alina sarobidy
 Mba toneo ny foko.
 
3 Alina soa, mamy tokoa:
 Indro Jesoa Tompontsika
 'Lay nomen'ny Virginy Maria
 Maharavo endrey ny fontsika.
 Alim-pahazavana,
 Mba tsinjovy izahay.

Nampiditra Belle
Sokajy Noely
Fihirana Hasina p. 376
Vavaka sy Hira p. 676
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0285