Aleloia, nampahiratra ny jamba

Aleloia, aleloia!
Nampahiratra ny jamba ny Tompo. (indroa)
Aleloia, aleloia!
Ary tsara avokoa izay nataony,
Izay nataony tetý amintsika
Tsara avokoa. (Mk. 7, 37)

(Sal, 145)

1 Aleloia! Derao!
 E! Derao ny Tompo!
 Ry fanahiko, hirao
 Ny fiderana azy Tompo!
 
2 Izaho hidera azy Tompo
 Amin'ny androko rehetra
 Ary hiantsa ny Andriamanitro,
 Raha mbola velona aina.
 
3 Aza mba mitoky foana
 Amin'ny olona mpifehy,
 Na amin'ny zanak'olombelona
 Izay tsy afa-mamonjy.
 
4 Raha tapitra aina ireny
 Dia miverina amin'ny tany,
 Ary izany andro izany
 No haharavan'ny fikasàny.
 (Aleloia! Derao!
 E! Derao re ny Tompo!)

 
5 Sambatra e ny matoky
 Ny Andriamanitr'i Jakôba,
 Ary izay manankim-po
 Amin'ny Tompo Andriamanitra.
 
6 Dia izy ilay namorona
 Irony tany aman-danitra,
 Mbamin'ny ranomasimbe
 Sy ny ao aminy rehetra.
 
7 Ilay mpitandro ny marina
 Amin'ny taona tsisy fetra,
 Ary manome ny rariny
 An'ireo ampahoriana.
 
8 Ilay manome sakafo
 Ho an'ny noana mitofezaka;
 Izy Tompo ilay mamaha
 Ny fatoran'ny mpigadra.
 (Aleloia! Derao!
 E! Derao re ny Tompo!)

 
9 Izy Tompo nampahiratra
 Ny mason'ireo jamba;
 Izy Tompo nampitraka
 Ny milofika sy kivy.
 
10 Izy Tompo tia ny marina
 Sy miaro ny vahiny:
 Tompo andrin'ny kamboty
 Mbamin'ny mpitondra tena.
 
11 Izy Tompo mampiviona
 Ny halehan'ny olon-dratsy;
 Izy Tompo dia hanjaka
 Amin'ny taona tsisy fetra.
 
12 Eny, izy, ry Siôna,
 No tena Andriamanitrao
 Amin'ny taona mifandimby,
 Aleloia! Aleloia!
 (Aleloia! Derao!
 E! Derao re ny Tompo!)

 
13 Ho an'ny Ray be fiantra,
 Ho an'ny Zanaka Mpamonjy
 Sy Fanahy Mpisolovava
 Ny voninahitra sy ny haja.

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 453
Fihirana Hasina p. 374
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091