Afa-tsy ny anaran'i Jesoa Tompo

Afa-tsy ny anaran'i Jesoa Tompo,
Dia tsy misy anaran'olon-kafa
Ambanin'ny lanitra
Hahazoantsika famonjena. (Asa 4, 12)

(Sal. 19)

1 Ho henoin'ny Tompo anie ianao
 amin'ny andro fahoriana
 Harovan'ny anaran'ny Andriamanitr'i Jakôba!
 
2 Handefasany vonjy avy any an-toerana masina
 Sy hotohanany avy any Siôna!
 
3 Ny fanatitrao rehetra, hotsaroany,
 Ny sorona dorana ho teliny
 
4 Izay irin'ny fo, hotanterahiny.
 Izay rehetra kasaina, homeny!
 
5 Izahay hihoby ny fandresenao;
 Ny anaran'ny Andriamanitsika no ho fanevany!
 
6 Eny, ny Tompo anie hahatontosa
 Ny vavakao rehetra!
 
7 Fantatro dieny izao fa ny Tompo
 Hanome fandresena ny Voahosony
 
8 Hamaly azy avy any an-danitra toerany masina
 Amin'ny fandresen'ny tanany mahery!
 
9 Kalesy ny an'ny sasany; soavaly ny an'ny hafa;
 Ny anaran'ny Tompo Andriamanitray
 ny anay no herinay!
 
10 Ka ireny mirepirepy sy lavo;
 Izahay kosa marim-pijoro!
 
11 Tompo ô! omeo fandresena ny mpanjaka!
 Valio izahay amin'ny andro iantsoanay anao!

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 37
Fihirana Hasina p. 371
Vavaka sy Hira p. 258
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106