Vorona tsara feo anie aho

Vorona tsara feo anie aho,           )
Ry Tompo ô, ry Tompo ô,             ) (indroa)
Raiso an-tananao e ho anao irery.)
 
1 Lanitra mangamanga, ala manangasanga,
 Efa nafoiko ireo e;
 Vohitra mahatamana, havana iray tanàna,
 Efa natao veloma.
 
2 Diavolam-pararano, onja manganohano,
 Efa nafoiko ireo e;
 Andiam-boromanga miara-mitranga,
 Efa natao veloma.
 
3 Saha sy tanimbary, ny vonimboasary,
 Efa nafoiko ireo e;
 Iny fitiavana iny, na dia tsy manan-tsiny,
 Efa natao veloma.
 
4 Vola sy harena, fitiavan-tena,
 Efa nafoiko ireo e;
 Taranaka amam-para, izay mety ho anjara,
 Efa natao veloma.
 
5 Fidoladolana, haingo igagana
 Efa nafoiko ireo e;
 Ny endriky ny tany, madera aoka izany,
 Efa natao veloma.
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 369
Fihirana Vaovao p. 533
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0173