Voninahitra anie ho an'Andriamanitra (3) - Fa naneho ny fitiavany Izy Andriamanitra

1 Voninahitra anie ho an'Andriamanitra
 Any amin'ny avo indrindra;
 Fa naneho ny Fitiavany izy Andriamanitra
 Fiadanana anie ho an'ny olombelona
 Etý ambonin'ny tany.    
 Fa naneho ny Fitiavany izy Andriamanitra
 
 Midera anao izahay,
 Noho ny haben'ny voninahitrao
 Mankalaza anao izahay,
 Noho ny haben'ny voninahitrao
 Mitsaoka anao izahay
 Noho ny haben'ny voninahitrao
 Mihoby ny hasinao izahay,
 Noho ny haben'ny voninahitrao
 Misaotra anao izahay.
 Noho ny haben'ny voninahitrao 

 Ry Mpanjakan'ny tany aman-danitra,
 Ray mahefa ny zava-drehetra,
 Ianao no Tompo sy Andriamanitra
 Ry Jesoa Kristy lahitokana,
 Ianao no Tompo sy Andriamanitra
 Ry Zanak'ondrin'Andriamanitra,
 Ianao no Tompo sy Andriamanitra
 O ry Zanaka mamin'ny Ray.
Ianao no Tompo sy Andriamanitra
 
2 Manala ny fahotan'izao tontolo izao,
 Ka mamindrà fo aminay,
 Ry Zanak'ondrin'Andriamanitra
 Manala ny fahotan'izao tontolo izao,
 Ry Zanak'ondrin'Andriamanitra
 Ka raiso ny fifonanay;
 Ry Zanak'ondrin'Andriamanitra
 Mipetraka eo an-kavanan'ny Ray,
 Ry Zanak'ondrin'Andriamanitra
 Ka mamindrà fo aminay.
 Ry Zanak'ondrin'Andriamanitra
 
 F'ianao irery no Masina,
 Ianao irery no Tompo,
 Ry Jesoa Kristy
 Ianao irery no Avo indrindra
 Ry Jesoa Kristy
 
 Miaraka amin'ny Fanahy Masina
 Ao amin'ny Voninahitr'Andriamanitra Ray. Amen.

Nampiditra Belle
Sokajy Voninahitra
Fihirana Hasina p. 366
Fihirana Vaovao p. 528
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092