Tsofy rano, Tompo ô

Tsofy rano, Tompo ô, ny tokantranonay,
Tsofy rano fa ianao no mampiray ny fonay.
 
1 Fa nakambanao 'zahay, ka nanaiky hifankatia:
 Jesoa Kristy no filohanay, hanasoa ny vahoakanao.
 
2 Ny taranakay anie fantatray fa zanakao:
 Arovy re, tsofy rano koa, hanasoa ny vahoakanao.
 
3 Fa ny asanay anie setrin'ny fitiavanao:
 Atolotray ka tsimbino re, hanasoa ny vahoakanao.
 
4 Ny fitiavanay anie sarin'ny fitiavanao:
 Kintana soa fa nasandratrao hanaso any vahoakanao.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fanambadiana
Fihirana Hasina p. 365
Fihirana Vaovao p. 390
Vavaka sy Hira p. 520
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1653