Tompo ô, taiza ianao anie no noana?

1 Tompo ô, taiza ianao anie no noana,
 Ary oviana koa no hoe nangetaheta?
 Ny mahantra, ny madinika rehetra,
 Ireo no sitraky ny Ray mba hisehoako!
 
Sambatra e izay manome sakafo Azy Tompo,
 Fa horaisiny eo anilany!
 
2 Tompo ô, tsy hitanay narary ianao,
 Na nigadra velively tany am-ponja!
 Izay narary, izay nigadra, izay nijaly,
 Ireo no sitraky ny Ray mba hisehoako!

 Sambatra e izay afaka mamangy Azy Tompo,
 Fa horaisiny eo anilany!
 
3 Tompo ô, taiza ianao no nivahiny
 Notoloranay fandriana sy fitafy?
 Ireo tsy manan-kialofana rehetra,
 Ireo no sitraky ny Ray mba hisehoako!

 Sambatra e isika mampiantrano Azy Tompo,
 Fa horaisiny eo anilany!

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 512
Fihirana Hasina p. 365
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01