Tompo ô, tsy mendrika aho ny hidiranao ato amiko (Sal 50)

Tompo ô, tsy mendrika aho,
Ny hidiranao ato amiko, ry Tompo ô,
Fa manonòna teny iray,
Dia ho sitrana ny fanahiko,
Fa manonòna teny iray dia ho sitrana aho! (Mt. 8,8)

(Sal. 50)
 
1 Iantrao aho, ry Andriamanitra ô,
 Eny, araka ny hatsaram-ponao,
 Ary araka ny famindram-ponao,
 Mba koseho re ho afaka ny otako.
 
2 Mba sasao avokoa re ny heloko,
 Ka diovy aho amin'ny otako.
 Eny, fantatro ireo hadisoako,
 Eo imasoko foana ny otako.
 
3 Taminao irery ihany no nanotako,
 Izay ratsy eo imasonao, vitako.
 Ka dia afa-miteny ianao,
 Sy maneho ny fahamarinanao.
 
4 Tsy homen-tsiny ianao raha mitsara.
 Tao anatin'ny ota aho no teraka,
 Tao am-bohoka aho dia efa mpanota.
 Fahitsiana ao am-poko no sitrakao;
 
5 Ao anatin'ny zava-miafaina
 No ampianaranao ahy ny fahendrena.
 Koa diovy amin'ny hisôpy ny tenako,
 Dia hadio aho sy ho afa-pentina.
 
6 Mba sasao aho hanjary botsiaka,
 Eny, hihoatra ny oram-panala.
 Enga anie mba ho henon'ny sofiko
 Ireo hira amam-kalon-danonana.
 
7 Eh! hiravo handihy sy hibitaka
 Ireo taolana voamontsamontsanao.
 Ny hadisoako afeno ny tavanao,
 Dia esory avokoa re ny otako.
 
8 Fo madio dia madio, Andriamanitra ô,
 No forony hitoetra ao amiko;
 Ny fanahiko re mba havaozinao,
 Mba hiorina mafy ao anatiko.
 
9 Ny tavanao aza ampanalavirina ahy,
 Aza esorina koa ny Fanahinao.
 Omeo ahy ny hafaliana amin'ny vonjinao;
 Ny fanahy mazoto e hanohana ahy.
 
10 Ny mpanota hotoroako ny lalanao,
 Ny diso lalana hiverina hankaminao.
 Koa afaho aho re, Andriamanitra,
 Ry Andriamanitry ny famonjena ahy.
 
11 Eny, afaho amin'ny ra izay nalatsaka aho,
 Ny fahamarinanao hobin'ny lelako
 Mba sokafy ny molotro, Tompo ô,
 Dia hidera anao re izany vavako.
 
12 Raha atolotro izay mba fanatitra,
 Tsy hankasitraka izany ianao;
 Izay sorona dorana hatolotro,
 Tsy hanaiky an'izany ianao.
 
13 Ny fanahy torotoro, Andriamanitra,
 No fanatitra ankasitrahanao,
 Fa ny fo torotoro sy montsana
 Tsy hlavinao, ry Andriamanitro.
 
14 I Siôna omeo fitsimbinana,
 Atsangano ny mandan'i Jerosalema.
 Dia hoekenao ireo sorona marina,
 Ny fanatitra, sorona dorana.
 
15 Ary dia ombalahy no haterina
 Ho fanatitra ambonin'ny ôtelinao.
 Koa misaotra, ry Ray Mpamindra fo:
 Ny Zanakao no nanonitra ny otako.

 

Nampiditra Belle
Sokajy Komonio
Ankalazao ny Tompo p. 479
Fihirana Hasina p. 362
Fihirana Vaovao p. 86
Vavaka sy Hira p. 815
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092