Todihontsika ny masoandro

Todihontsika ny masoandro vao miposaka,
Dia i Kristy ilay hiverina hitsara,
Hitsara ny velona sy ny maty. Aleloia. (2 Tim. 4, 11)

(Sal. 112)
 
1 Derao, ry mpanompon' ny Tompo, (aleloia...)
 Derao ny anaran'ny Tompo;
 Tsarovy ny anaran' ny Tompo,
 Na izao na ho mandrakizay.
 
2 Tongava marain-tsy hariva
 Hidera ny anaran' ny Tompo.
 Ambonin' ireo firenena:
 Ny lazany avo dia avo!
 
3 Moa misy mitovy amy Tompo?
 Ny Tompo mitoetra any ambony,
 Ka miondrika izy mijery,
 Na lanitra izany na tany.
 
4 Alàny amy fako ny ory,
 Esoriny avy eo ny mahantra:
 Apetrany anilan'andriana,
 Andriana izy fanta-bahoaka.
 
5 Ny momba amponeniny an-trano:
 Niteraka maro ka faly.
 Isaory ny Ray tia antsika:
 Ny ainy efa nomeny antsika.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Hasina p. 361
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087