Ry Kristy ô, misaotra anao, midera anao izahay

Ry Kristy ô, misaotra anao,
Midera anao izahay:
Ny fiainanao, iainanay
Ho mandrakizay.
 
1 Fantatray fa miasa ianao,
 Manomana izao tontolo izao vaovao.
 Ny asanay atolotray:
 Miara-miasa aminao izahay. (indroa)
 
2 Ianao mivavaka,
 Manomana izao tontolo izao vaovao.
 Ny vavakay atolotray:
 Miara-mivavaka aminao izahay. (indroa)
 
3 Ny tenin'ny Ray no sitrakao,
 Manomana izao tontolo izao vaovao.
 Ny teninao no sitrakay:
 Iray safidy aminao izahay. (indroa)
 
4 Manome aina ianao,
 Manomana izao tontolo izao vaovao.
 Ny ainay no atolotray:
 Miara-mijaly aminao izahay. (indroa)
 
5 Fitiavam-be no entinao
 Manomana izao tontolo izao vaovao.
 Fitiavam-be ianaranay:
 Iray fitia aminao izahay. (indroa)
 
6 Ny herin'ny Fanahinao
 Manomana izao tontolo izao vaovao.
 Fanahinao iainanay:
 Iray Fanahy aminao izahay. (indroa)
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fisaorana
Fihirana Hasina p. 359
Fihirana Vaovao p. 515
Vavaka sy Hira p. 775
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091