Ô Maria, mba tantano hatrany

Ô Maria, mba tantano hatrany,
Ô Maria, tantano izahay;
Ô Maria, mba tariho hatrany,
Ô Maria, tariho ny fiainanay.
 
1 Tsy mitsahatra misompatra,
 Tsy mba sasatra mamitaka
 I Satàna fahavalonay
 Te handrendrika ny fiainanay,
 Ka aza avela haniasia izahay.
 
2 Ny kilalao sy ny asa fanaonay,
 Ny fianarana ilofosanay
 No tianay mba hisehoana
 Ho tena zanak'Andriamanitra,
 Ka atreho ny fiananay, ry Reninay.
 
3 'Reo milofo hahaolombelona anay,
 Mpiara-miasa amin'Andriamanitra,
 I dadanay, i neny maminay,
 Zokinay sy mpanabe anay:
 Mba tahio hatrany hatrany izy ireo.

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria - Tanora
Fihirana Dera p. 272
Fihirana Hasina p. 358
Fihirana Vaovao p. 326
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009