Natsangan'Andriamanitra ny Tompo, Aleloia

Natsangan'Andriamanitra ny Tompo,
Aleloia, aleloia.
 
1 Ny andro fahatelo dia niseho ny voninahiny,
2 Niseho tsy niafinafina fa dia niharihary.
 
3 Saingy olona voatendriny no nanehoany ny tenany,
4 Isika miara-belona isan'andro vaky aminy.
 
5 Miaraka mihinana ny mofo, dia ny tenany;
6 Isika no irahiny hanambara ny any am-parany.
 
7 Isika no antsoiny mba hitory ny Fitiavany:
8 Ny santatra e no azy fa isika mbola hatsangany.

Nampiditra Belle
Sokajy Paka
Ankalazao ny Tompo p. 420
Fihirana Hasina p. 355
Fihirana Vaovao p. 537
Vavaka sy Hira p. 703
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087