Ny Evanjely toriko

Ny Evanjely toriko no iaretako fijaliana
Hatramin'ny fatorana aza, toy ny olon-dratsy;
Ny Tenin'Andriamanitra anefa tsy hay afatotra,
Eny, tsy hay afatotra. (2 Tim. 2, 9

(Sal. 141)

1 Izany feoko mikiaka miantso mafy azy Tompo;
 Izany feoko miangavy mitalaho azy Tompo.
 Dia atosako anatrehany
 Ny tarainako,
 Ary asehoko anoloany
 Ny fijaliako.
 
2 Raha ketraka ato anatiko ny fo amam-panahiko,
 Dia ianao no mahalala izay lalana hombàko
 Eny an-dalana eny manko,
 Izay alehako,
 Dia nasiany vela-pandrika
 Izay miafina.
 
3 Mba jereo ny ankavanana, topazo maso anie:
 Tsisy olona iray mba mahalala ahy akory!
 Tsisy toerana mihitsy
 Mba hialofako,
 Ary tsisy mba miahy
 Izany aiko!
 
4 Koa ianao, ry Tompo ô, no iantefan'izany antsoko!
 Ary hoy izany feoko: "Fialofako ianao",
 Hany anjarako eto an-tany:
 Tanin'ny velona;
 Fialofako ianao,
 Hany anjarako!

5 Mampandria sofina amin 'ny fitarainako ianao,
 Fa osa loatra aho, tena hatsatra izaitsizy!
 Koa afaho eo an-tanan'
 Ny mpanenjika,
 Fa mahery noho izaho
 Izy ireo.
 
6 Avoahy ny tranomaizina itazomana ahy ny tenako
 Mba hidera sy hankalaza ny anaranao ilay Masina,
 'Ndreo fa hanodidina ahy
 Ny olo-marina,
 Noho ianao hameno ahy
 Fahasoavana.
 
7 Ho anao, ry Ray, mpiantra ireo idonam-pahoriana,
 Ho anao, ry ilay nizaka fijalian'olombelona,
 Ry Fanahy tsy hay afatotra,
 Hany anjarako,
 Raiso re ny fiderana,
 Voninahitra!

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 503
Fihirana Hasina p. 354
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094