Mpivahiny

Mpivahiny izahay etý;
Fandalovana izao rehetra izao
Ka ho lo, sy ho levona,
Ho lavenona sy zary vovoka.
 
1 Eny, Ray ô! Fantatrao tokoa,
 Fantatrao 'zahay fa mpivahiny etý.
 Mihelina toy ny rivotra ny andronay etý,
 Ka ho aiza moa 'zahay?
 
2 Rah'hiala etý, ho any aminao,
 Sao, sanatria, ho very 'zany 'zaho.
 Ka raha hatrizay, dia ho avy ianao,
 Mba hitsara anay, ka ho aiza moa 'zahay?
 
3 Mba satriko e ho eo anilanao
 No anjarako, raha toa ka hiala etý.
 Mino aho, Ray ô, f'efa afaka
 'Zany otako, k'ilaozako ny etý.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 349
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086