Izao re no didiko: Mifankatiava ianareo

(Jn. 15, 9-3. 17)

Izao re no didiko:         )
"Mifankatiava ianareo"! ) (indroa)
 
1 Fa toy ny nitiavan'ny Raiko ahy
 No efa nitiavako anareo,
 Koa dia mitoera amin'ny fitiavako.
 
2 Hitoetra amin'ny fitiavako ianareo
 Raha toa ka tandremanareo ny didiko,
 Toy izay nandalako ny didin-dRaiko
 Sy itoerako ao amin'ny fitiavany.
 
3 Nambarako taminareo izany
 Mba hanananareo izany hafaliako,
 Hahafeno tokoa ny hafalianareo.
 
4 Koa mifankatiava fa izay no didiko,
 Dia toy izay nitiavako anareo.
 Tsy misy azo atao hoe tena tia
 Raha tsy mahafoy aina ho an'olon-tiana.


 

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 475
Fihirana Hasina p. 349
Fihirana Vaovao p. 161
Vavaka sy Hira p. 818
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091