Ianao no Piera, ianao no vatolampy

Ianao no Piera, ianao no vatolampy,
Hoy i Kristy tamin'i Simôna zanak'i Joany,
Ary eo ambonin'izany vatolampy izany
No hanorenako ny Fiangonako.
 
1 Ho sasa-poana tsy haharesy azy,
 Ho sasa-poana ireo herin'ny maizina.
 (Homeko anao e) Homeko anao ny fanalahidy,
 Ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra. (indroa)
 
2 'Zay fehezinao dia ho voafehy,
 'Zay avelanao dia ho voavela any an-danitra.
 (Ny finoanao) Ny finoanao efa nivavahako,
 Ny finoanao dia tsy hivaona na oviana. (indroa)
 
3 Fa ianao no hankahery,
 No hankahery ny rahalahinao,
 Ka mijoroa ho mpiandry ondry,
 Ka mijoroa, dia fahano ny ondriko. (indroa)
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 346
Fihirana Vaovao p. 514
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096