He, sambatra aho, Jesoa

1 He, sambatra aho, Jesoa, raha miaraka aminao,
 Fa ny lalanao dia lavi-pahoriana;
 Ny ali-mampahory, ny raho-mitatao,
 Eo anilanao dia mody fitahiana.
      Tano aho, Jesoa, hiaraka aminao,
      Ny lalana hombàko e mba hazavao.
 
2 'Zao no faniriako manetsika ny fo:
 Ho sakaizanao mandrakizay doria;
 N'inona mihatra, na inona manjò,
 Ianao no antenaiko hitantana ny dia.
      O! avia, Jesoa, tano aho e!
      Tantanonao ny diako, Tompo, mamonje!

3 'Zay sakaizanao, Jesoa, no ampoky ny soa,
 Feno haravoana sy lavitra manjò;
 'Zay rehetra ilaina anananao tokoa,
 Raha miaraka aminao, mionona ny fo.
      Sambatra aho, Jesoa, tretrika tokoa,
      Ravo ny fanahiko, toloranao ny soa.
 
4 Inona no mamiko mihoatra noho ianao,
 Tompo manan-kery sy loharanon-tsoa?
 'Zay zavatra ilaiko azoko aminao;
 Koa onenanao ny foko, ho lapanao tokoa.
      Manjakà, Jesoa, ato am-poko ianao!
      'Zay fahotako e, ry Tompo, avelao!

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 344
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0853