Efitra ny fiainana

1 Efitra ny fiainana nodiavin'ireo tongotro,
 Efitra itsapana izay tokin'ny fitiavako.
 Dian-tongotra efatra no indro miara-dalana
 Manjohy avy ao aoriana mamaky tora-pasika. (indroa)
 Izaho sy ny Tompo no mamakivavy ny efitra,
 Tamin'ireo andro nibaliaka sy nilamina.
 Dian-tongotray no manambara
 Fa izahay nifampitantana:
 Manga ny lanitra!...
 
2 Kanjo nony inona, romotra ny rivotra;
 Fasika mandoro no nifafy tamin'ny tavako:
 Jemby sady fanina aho, nitady hisarangotra:
 Roa ny dian-tongotra sisa namakivavaky efitra. (indroa)
 Tonga ve, ry Tompo, ny adim-piainako mafaitra,
 Lasa ianao nandao tsy azoko ianteherana?
 Avelanao aho, hijaly samirery,
 Misalasala hoe:
 Sakaiza manody ianao!...
 
3 Tsia, ry sakaiza, ahirato izao ny maso:
 Fony ianao nijaly sy nandalo lalan-tsarotra,
 'Ndreo ny dian-tongotro namindra samirery,
 Fa ianao nobabeko nataoko an-tsangory. (indroa)
 Tantely amam-bahona ny fiainana eto an-tany,
 Izaho Tomponao no nisotro ny mangidy:
 Miaraka aminao, tia anao
 Na ho tsiky na ho tomany
 Satria ny fitiavako mandrakizay!
 
Manga ny lanitra!
Izaho sy ny Tompo no mamakivaky ny efitra.
Manga ny lanitra!
Izaho tia anao na ho tsiky na ho tomany.
Manga ny lanitra!
Satria ny fitiavako mandrakizay!
Manga ny lanitra!...
 

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 494
Fihirana Hasina p. 341
Vavaka sy Hira p. 820
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0582