Tahaka ny ray mangoraka ny zanany

(Sal. 102)

Tahaka ny ray mangoraka ny zanany
No angorahan'ny Tompo
Ny olombelona matahotra azy.
 
1 Izy Tompo mahalala
 Fa ny nahariana antsika e
 Dia ny vovoka tsinontsinona,
 Ka tsaroany fa osa ny nofo e.
 
2 Fa isika olombelona,
 Voninkazo eny an-tsaha e:
 Entin-drivotra, dia manjavona,
 Toa tsy teto ambonin'ny tany e.
 
3 Masoandro mibaliaka
 Ny fitiavan'izy Tompo ô:
 Manazava 'zay tia azy,
 Sy manilo hatrany ny taranany e.
 
4 Fihavanana no atolony,
 Ka tiavontsika ny Tompo ô:
 Ny fitia mifamaly
 No mahatsara fihavanana e.
 
5 Na mpanota ny olombelona,
 Tsy atosik'izy Ray e,
 Tsy arahiny hadalana,
 Fa antsoiny hiarina indray e.
 
6 Ny aretina hositraniny,
 'Zany aina hotahiny e,
 Ny fitiavana hovelominy,
 Hanatonantsika azy Ray e.
 
7 Voninahitra ho anao,
 Zanahary Rainay e,
 Fantatrao fa izahay
 Tsy mahavaly fitia toa zaza e.

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Dera p. 124
Fihirana Hasina p. 338
Fihirana Vaovao p. 42
Vavaka sy Hira p. 333
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096