Ô ry vahoaka, hobio Andriamanitra

Ô ry vahoaka, hobio Andriamanitra,
Ankalazao e ny anarany masina.

(Dan. 3, 57-63, 75-82)

1 Ianareo rehetra, ry asan'ny Tompo,
 Hobio Andriamanitra.
 Ianareo, ry anjely mpanompon'ny Tompo,
 Hobio Andriamanitra.
 Hobio, hobio Andriamanitra.
 
2 Ô ry lanitra manga sy mahasondriana...
 Ô ry rano sy izay eny ambonin'ny lanitra...
 
3 Ry masoandro amam-bolana mahavariana...
 Ô ry kintan'ny lanitra manjelanjelatra...
 
4 Ianareo tendrombohitra sy tampon-kavoana...
 Ô ry zava-maniry mameno ny tany...
 
5 Ianareo loharano izay mikararana ô...
 Ô ry ony misosa aman-dranomasina ô...
 
6 Ô ry voro-manidina an'habakabaka...
 Ô ry biby fiompy amam-bibin'ny ala...
 
7 Ianareo, ry olon'ny tany tontolo...
 Miderà ny anarany mandrakizay...

Nampiditra Belle
Fihirana Dera p. 66
Fihirana Hasina p. 336
Fihirana Vaovao p. 295
Vavaka sy Hira p. 415
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0588