Ny lamesa dia sorona iderana ny Tompontsika

1 - Ny lamesa dia sorona
Iderana ny Tompontsika
'Zay nahary sy mandidy
An'izao rehetra izao.

Fiv : Tompo ô, indreto 'zahay
Tonga eto Aminao :
Te hamonjy ny lamesa,

1 - Mba hitsaoka ny tenanao
2 - Mba hamaly fitia Anao
3 - Mba hifona amin'ny fonao
4 - Mba handray ny tsodranonao.

2 - Ny lamesa dia sorona
Anoloran'i Jesoantsika
Ny fisaorana lavorary
Amin-dRainy mazava fo.

3 - Ny lamesa dia sorona
Anefana ny trosantsika :
Maro ny sazy azontsika
Avy amin'ny fahotana.

4 - Ny lamesa dia sorona
Angatahana zava-tsoa
Vohay tsara ny fontsika
Tanisao 'zay irintsika.

Nampiditra pissoa
Sokajy Fidirana
Fihirana Dera p. 54
Fihirana Hasina p. 651
Fihirana Vaovao p. 360
Vavaka sy Hira p. 724
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093