Ny Anaranao, ry Iaveh no omem-boninahitra

(Sal. 134)

Fiv: Ny Anaranao, ry Iaveh
No omem-boninahitra.

1 - Miderà ny anaran'i Iaveh
Ianareo, ry mpanompon'i Iaveh
'Zay monina ao an-tranon'i Iaveh,
Ao an-kianja fonenan'i Iaveh.

2 - Manomeza voninahitra an'i Iaveh
Ianareo, fa tsara fo anie i Iaveh :
Miderà, ataovy an-kira ny Anarany,
Ny Anarany mamy tokoa.

3 - I Jakoba no voafidin'i Iaveh
Ny taranany no ho lovan'i Iaveh
Eny, fantatro fa ambony i Iaveh
Ambony noho ny sampy rehetra.

4 - 'Zay tian'i Iaveh dia ataony
Any an-danitra sy etý an-tany,
Any anaty ranomasina be,
Any anatin'ny rano lalim-be.
 
5 Ny anaranao anie, ry Iaveh,
No maharitra mandrakizay;
Hotsahivina hatrany i Iaveh,
Hatrany amin'ny taona mifandimby.
 
6 Ianareo, ry taranaka voafidy,
Miderà, miderà an'i Iaveh;
Ianareo, ry taranak'i Arôna,
Miderà, miderà an'i Iaveh.
 
7 Ianareo, ry taranak'i Levy,
Miderà, miderà an'i Iaveh;
Ianareo 'zay matahotra an'i Iaveh,
Miderà, miderà an'i Iaveh.
 
Voninahitra anie ho an'ny Ray,
Voninahitra anie ho an'ny Zanaka.
Ho an'ny Fanahy Masina anie
Voninahitra mandrakizay.

Nampiditra pissoa
Sokajy Fihobiana - Salamo
Fihirana Dera p. 53
Fihirana Hasina p. 640
Fihirana Vaovao p. 127
Vavaka sy Hira p. 372
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107