Eran'ny tany, eran'ny lanitra

Fiv: Eran'ny tany, eran'ny lanitra
Ny indrafony, Aleloia.

(Sal. 32)

1 - Mihobia an'Andriamanitra
Ianareo olo-marina ;
'Zay mahitsy fo sy madio fanahy
Mendrika anie hidera an'Izy Ray.

2 - Mihobia an'ny Zanahary
Amin'ny hiran-dokanga ;
Rontsony koa izany feom-baliha
Ankalazao Andriamanitra.

3 - Ny teninao, ry Tompo Zanahary,
No teny to arahinay ;
Dinihinay ny asanao rehetra
Ka hitanay fa rariny.

4 - Io lanitra io, ny habakabaka iny
Dia novelarin'ny Tompo:
Kintana soa, diavolana mazava
Avy aminao, Andriamanitra.

5 - Ranomasim-be midoboka isan'ora
Nangoninao, Zanaharinay;
Ny hantsam-be anaty fahi-drano,
Fa resinao, Tompo ô.

6 - Tompo lehibe ny Zanaharinay
Matahora re, ry tany ô:
Tompo lehibe no nanao ny fofon'aina,
Mangovita koa, ry mponina.

7 - Teny iray anie tononinao, ry Tompo,
Mahavita soa izao tontolo izao:
Ka ny fikasan'ny firenena maro
Dia voasakanao, Andriamanitray.

8 - Fa ny fikasan'ny Tompo Zanahary
Mandrakizay maharitra:
Tsy hiova anie ny hevitry ny fony
Holovan'ireo taranaka.

9 - Sambatra ianareo vahoakn'Andriamanitra,
Sambatra ianaroe voafidiny;a
Ao an-danitra ao ny Tompo anie hitahy
Ary hanasoa ny firenenareo.

10- Ny fijerinao, Tompo be fitia ô,
Amin'izay matoky anao;
Feno hatsaram-po, efa te-hamonjy
Ny zanakao miantso anao.

11- Tsy ho faty aho na ho voan'ny loza
Fa harovanao, ry Tompo ô,
Tsy ho mosarena ary tsy ho noana,
Fa velominao, ry Raiko ô.

12- Ny fanahinay manantena anao,
Fa ianao anie no ampinganay;
Ny fitiavanao hirotsaka isan'andro,
Fa matoky anao'zahay, ry Ray.

Nampiditra pissoa
Sokajy Salamo
Fihirana Dera p. 51
Fihirana Hasina p. 452
Fihirana Vaovao p. 134
Vavaka sy Hira p. 273
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093