Ny feonao miantso ankizy malagasy

1 - Ny feonao miantso ny ankizy Malagasy HO PRETRANAO
Anaty Nosinay antsoy 'zay tinao HO PRETRANAO
Hamonjy ny fanahy no anirianay HO PRETRANAO
Antsoy izay tianao, ry Tomponay ankizy HO PRETRANAO.


2 - Ny fonao be fitia mitady zaza hendry ...
Ireo ankizy kely omeo faniriana ...
Herezo hahafoy ny ray aman-dreny ...
Herezo hanamavo ny fiainana mandalo ...


3 - Hanova mofo kely ho Vatanao ry Jesoa ...
Hanova ny divay ho Ranao mpanadio ...
Hizara famelana, hamafy teny soa ...
Hamoha paradisa lapan'ny Rainay ...


4 - Masina Maria malala, mba misy aminay ...
Ampio izy ireo, aza jerena foana ...
Ny tananao, ry Reny, no toky mankahery ...
Arovinao ny fony ho toy ny lisy fotsy ...
 

Nampiditra pissoa
Fihirana Dera p. 98
Fihirana Hasina p. 642
Fihirana Vaovao p. 399
Vavaka sy Hira p. 515
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092