Handohalika amin'ny anaran'i Jesoa avokoa

Handohalika amin'ny anaran'i Jesoa avokoa
Ny olon-drehetra,
Na ny any an-danitra na ny ety an-tany. (Filipo 2, 10-11)

(Sal. 96)
 
1 Aoka hifaly 'zany tany, fa manjaka izao ny Tompo,
 Koa samia manao korana ianareo nosy maro:
 Fa ny rahona no lamba ihodidinan'ny Mpanjaka,
 E, ny rariny sy ny hitsiny ijoroany ao an-drova.
 
2 Eo alohany ny afo no mandevom-pahavalo,
 Ka mazava 'zay lalovan'ireo tsela-mitsoriaka:
 Fa ny tany raha mahita tsy mitsaha-mihorohoro,
 Tendrombohitra am'izany dia mitsonika mikoa.
 
3 Fahamarinany no tian'izany lanitra hambara;
 Voninahiny tazano hita mason'ny vahoaka:
 Safo-kenatra avokoa 'zay manompo sarisary,
 Manantena hirehareha ka mifikitra amy sampy.
 
4 Ny andriamanitra rehetra miankohoka avokoa,
 I Siôna vao mandre dia falifaly aoka izany:
 Tovovavin'i Jodà nitotorebika nandihy,
 Fa satria tena to ny fitsaràn'ny avo indrindra.
 
5 Ianao manerinerina mifehy ny tontolo,
 Andriamanitra mahery sy ambony tsisy fetra.
 Ianareo 'zay tia ny Tompo, andosiro re ny ratsy,
 Fa ny Tompo dia mitandrina an'ireo 'zay mino azy.
 
6 Ny hazavana vao mitranga, ny olo-marina no trany,
 Ka somebin-karavoana 'zay mahitsy fo rehetra:
 Mifalia, ry olo-marina eo imason'izy Tompo,
 Eny, masina ny anarany, ka tongava ianao hisaotra.
 
7 Koa tongava ianao hisaotra, 'ndeha mba hiaraka hidera,
 Fa ny Tompo tiantsika no naneho ny fahefany,
 Ka ny zanany nomeny fandresena mba hanjaka,
 Ny fanahy noraisintsika ka manjaka koa isika.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 126
Fihirana Hasina p. 331
Fihirana Vaovao p. 264
Vavaka sy Hira p. 328
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009