Fa toy izao ny fitiavan'Andriamanitra

Fa toy izao ny fitiavan'Andriamanitra e:
Izy no tia antsika mialoha.

(Det. 32)
 
1 Henoy, fa hivolana aho, ry lanitra,
 Ry tany, mandrenesa izany teniko.
 Hirotsaka toa erika ny anatro,
 Hilatsaka toa ando anie ny teniko!
 
2 Toa orana tandrify zava-maitso,
 Toa rano manakotsa vondron'ahitra:
 Anaran'izy Tompo no antsoiko...
 Hobio ny fiandrianan'Andriamanitra.
 
3 Fa izy vatolampy: soa ny asany,
 He rariny 'zay lalana soritany;
 Ny Tompo mahatoky tsisy hosoka,
 Ary hitsiny sy marina tanteraka.
 
4 Nivadika izy ireo nandao ny marina,
 Taranaka fangoloka, mpamitaka!
 Izany ve no ataonareo ny Tompo,
 Ry olona tsy hendry, tsy mandinika!
 
5 Tsy izy va no ray nahary anao,
 Nanampy anao hijoro ho marim-pototra?
 Tsarovy irony andro fahagola re,
 Todiho ireny taona nifanaraka!
 
6 Resaho ny rainareo fa hatorony,
 Resaho koa ny ntaolo fa hambarany.
 'Lay avo raha nanao ny firenena,
 Nizara ny taranak'olombelona.
 
7 Nametra ny vahoaka isan-tokony,
 Manaraka ny fokon'i Israely;
 Ny lova ho zay Tompo dia ny olony,
 I Jakôba nofidiny ho anjara lovany.
 
8 Fa tany an'efitra izy no natsangany,
 Dia efitra mangina nijaliany,
 Ka indro nombombany, notandremany
 Narovany toy ny anakandriamasony.
 
9 Toa vorona mahery miahy ny akaniny:
 Manidina manaloka ny zanany,
 Velariny ny elany ho an-janany,
 Velariny hipetrahany eo amboniny.
 
10 Ny Tompo no hany afaka mitsimbina,
 Tsy manana andriamani-kafa ny olony.
 Isaory 'zay nataony tamintsika re!
 Isika hiombon-dova amin-Janany.

 

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 162
Fihirana Hasina p. 329
Vavaka sy Hira p. 389
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134