Endrey ny fitiavan'Andriamanitra antsika

Endrey ny fitiavan'Andriamanitra antsika:
Nomeny ny Zanany lahitokana isika olombelona
Mba tsy ho very izay mino azy,
Fa izany no sitrany.

(Sal. 142)
 
1 Mba henoy ny fivavahako, ry Tompo mahatoky;
 Mandrenesa ny tarainako misondrotra aminao.
 Mba valio re ny antsoko fa marina ianao;
 Mba henoy re ny feoko fa antra fo ianao.
 
2 Aza aidi-pitsarana hifandahatra aminao,
 Fa tsy misy olo-marin rah'toa mitsara ianao.
 Tanaraham-pahavalo 'zany aiko ka vonjeo;
 He hoseny sy hitsahiny ny aiko ka avoty!
 
3 He fa haizina mikitroka no ametrahany ahy,
 Hiara-monina am'izay nodimandry efa ela.
 Mihareraka sy tankina ny aiko manontolo,
 Fa mitebiteby lava ao anatiko ao ny foko.
 
4 Dia tsaroako teo daholo ny androko efa lasa,
 Ka tsaroako tamin'izay koa ny zava-bitanao,
 Dia ny asanao rehetra ka nameno 'zany saiko;
 Nodinihiko tokoa re ny asa vitanao.
 
5 Ka asandratro ny tanako mangataka aminao,
 Fa mangetaheta anao toy ny tany karakaina.
 Mba valio re ny sentoko, ry Tompo tsara fo!
 Efa reraka ny foko ary ambivitra ny aiko.
 
6 Aza afenina ahy, ry Tompo, 'zany tavanao irìko,
 Sao hitovy ts'hisy valaka am'ireo alevina aho!
 Ny fitiavanao anie hanampy ahy raha vao maraina,
 Fa mitoky aminao 'ty fanahiko, Andriamanitra.
 
7 Mba toroy ny lala-marina aho fa io no sitrakao,
 Fa maniry anao hatrany ny fanahiko, ry Tompo.
 Mba vonjeo aho, ry Tompo, ka reseo ny fahavalo,
 Fa ianao no fialofako sy rova mahatoky.
 
8 Ka ny sitrakao atoro mba ho fantatro, ry Tompo,
 Fa ianao irery manko no Andriamanitra tompoiko.
 Ilay aina mahavelona miloatra avy aminao
 No mba aoka hanoro ahy 'zany lalana mahitsy.
 
9 O ry Tompo tsara fo ô, mba velomy re ny aiko;
 Noho ny fahamarinanao mba sorohy re ny loza.
 Koa avia mba hidera sy hisaotra an'izy Tompo,
 Fa matoa isika velona, dia izy no mitahy.
 Mba derao koa ny Zanaka mpamonjy ny mahantra;
 Ny Fanahy mpihaino vavaka tolory fanajana.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 270
Fihirana Dera p. 216
Fihirana Hasina p. 328
Vavaka sy Hira p. 378
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098