Aza matahotra e, ry Maria

Aza matahotra e, ry Maria,
Aza matahotra e, ry Maria,
Fa homba anao ny Tompo,
Ary ianao no voafidiny
Ho Renin'ny Mpamonjy,
Ho Renin'ny Mpamonjy.
(Jereo Lk. 1, 28-31)

(Sal. 45)
 
1 Andriamanitra no Hery sy Fiarovana ho antsika
 Sady tolo-pamonjena
 Raha sendra fahoriana.
 Koa ny tany hikorosy sy ho tapitra hianjera,
 Ny havoana koa hihovitra ao anaty ranomasina,
 Ary ny onjany hitroatra,
 Hisamboaravoara mafy,
 Ny tendrombohitra hiletsy... Tsy hatahorantsika izany!
 Momba antsika ilay Tompon'ny hery;
 Ny Andriamanitr'i Jakôba manda vato ho antsika!
 
2 Misy ony mampifaly ny Tanànan'Andriamanitra,
 Ilay masina indrindra
 Amy vohitry ny Avo.
 Andriamanitra eo anivony ka tsy hihontsona izy,
 Dia ilay mamonjy azy mbola vao mangiran-dratsy.
 Misafoto ny vahoaka,
 Dia hikoa ny fanjakana:
 Rah'midoboka ny feony, dia hihotsaka ny tany.
 Momba antsika 'lay Tompon'ny hery;
 Ny Andriamanitr'i Jakôba manda vato ho antsika!
 
3 Mba jereo ny asa vitan'izy Tompo teto an-tany,
 Dia ny fandravàna maro:
 Ka ny ady nofongorany...
 Ny kalesy, ny tsipìka sy ny lefona fiadiana
 Nopotehiny avokoa sy nodorany ho kila...
 "Mitsahara ka ekeo
 Fa izaho no Andriamanitra
 'Lay manapaka ny tany sy ny firenen-drehetra".
 Momba antsika 'lay Tompon'ny hery;
 Ny Andriamanitr'i Jakôba manda vato ho antsika!

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria - Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 384
Fihirana Hasina p. 327
Vavaka sy Hira p. 282
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091