Avia hitsaoka ny Zanak'Andriamanitra

Avia hitsaoka ny Zanak'Andriamanitra, )
Avia re, avia re;                                    ) (indroa)
Izy nifidy, nifidy an'i Maria,  )
Maria ho Reniny, ho Reniny. ) (indroa)

(Sal. 99)
 

1 Hobio izy Tompo, ry tany tontolo,
 Ka fo falifaly anompoana ny Tompo,
 Tongava eo aminy mihira, miravo.
2 Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra,
 Fa azy isika satria nohariany
 Sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
 
3 Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
 Ny ao an-kianjany idiro amin-dera,
 Derao izy Tompo, ny anarany isaory.
4 Miaiky isika fa tsara ny Tompo,
 Fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
 Am'taona rehetra ny fahamarinany.
 
5 Andeha isika hiara-mitsaoka ny Tompo,
 Hihoby 'lay Zanany ombam-pahefana,
 Derao ny Fanahy manamasina antsika.

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria - Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 382
Fihirana Dera p. 195
Fihirana Hasina p. 326
Fihirana Vaovao p. 310
Vavaka sy Hira p. 332
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716