Ao an-tranonao e, ry Jesoa be fitia

Ao an-tranonao re, ry Jesoa be fitia,
No onenanay e anio sy ho doria.
Ny fitiavanao re manenika ny tena:
'Zay matoky anao e mandroso tsy mivena,
Ka tretrika ny fo fa sambatra tokoa.
 
1 Hizara fifaliana          2 Hitondra fahazavana
 Anivon-kavoriana            Anivon'ny tanàna:
 Ho irakao 'zahay             Ho irakao 'zahay
 Sy ho vavolombelonao;    Sy ho vavolombelonao;
 
 Hitory teny mamy            Hitory famonjena
 Anivon'ny akany:              Ho an'ny firenena:
 Ho irakao 'zahay               Ho irakao 'zahay
 Sy ho vavolombelonao      Sy ho vavolombelonao.
 
3 Hanara-dia anao e        4 Tanora sy ankizy,
 Amin'izay atao re:             Vahoaka be izaitsizy:
 Ho irakao 'zahay                Ho irakao 'zahay
 Sy ho vavolombelonao;      Sy ho vavolombelonao;
 
 Hiezaka tokoa                   Hitory anao hatrany
 Hizara tombontsoa:           Manerana ny tany:
 Ho irakao 'zahay                Ho irakao 'zahay
 Sy ho vavolombelonao.       Sy ho vavolombelonao. 
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 323
Vavaka sy Hira p. 643
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0996