Tanora Mpianatra Kristianina

(TAMPIKRI)

1 TAnora MPIanatra KRIstianina ('zahay)
 Izahay izao miantso anao ô:
 Raha te ho sambatra, haingàna, (andao)
 'Ndao hanilo 'zao tany izao.
 
Andao, andao, andao, ô razandry,
Andao, andao, andao, ô razoky:
Ny tanindrazana efa miandry, (andao)
Mitazatazana fa matoky.
O razandry, ô razoky.
 
2 Ny masoandro iry an-kavoana (jereo)
 No môdely ho anay, ry sakaiza ô:
 Tsy menamenatra ny finoana, ('zahay)
 Kristianina hatraiza hatraiza.
 
3 'Zay be fandahatra be fandainga, (ny atao)
 Ny atao no tianay ho hita:
 Vavolombelonay dia ny bainga (fa io)
 Manambara ny asa vita.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 322
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095