Avy i Jesoa mora fo

Fiv : Avy i Jesoa mora fo,
Mofon'ny Anjely.
Izy midina amintsika
Ho fihinantsika.

1 - Izy Ray sy Tompo
Sy sakaizako,
Sy mpiandry ondry
Fiankinako.

2 - Jesoa, 'zaho mino
Fa ny Vatanao
Sy ny Ranao masina
No horaisiko.

3 - Ianao no Sorona
'Zay atolotro,
Ary fanalana
Ny fahotako.

Nampiditra pissoa
Sokajy Komonio
Fihirana Dera p. 95
Fihirana Hasina p. 419
Vavaka sy Hira p. 741
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091