Avia, ry Jesoanay, avia Mpamonjinay

Fiv: Avia ry Jesoanay, avia Mpamonjinay
Avia ry Tomponay, anjakao izahay.

1 - Endrey ny hafaliana fa tonga anilanao,
Hanovo Aminao ny soa rehetra irina.

2 - Tompo, inty Ianao anatin'ny Hostia
Ho tohanay tokoa sy ho fanilonay.

3 - Ny tenanao, ry Jesoa, no zara maminay,
Mpiandry tsara fo, misaotra Anao 'zahay.
 
4 - Sasao madio 'zahay ho mendrika handray
Ny tenanao nahary takon'ny endri-mofo.
 
5 - Fisotro ny ranao, manala hetaheta;
Ny nofonao no vatsy sy tohanay tokoa.

Nampiditra pissoa
Sokajy Komonio
Fihirana Dera p. 95
Fihirana Hasina p. 417
Fihirana Vaovao p. 409
Vavaka sy Hira p. 742
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093