Dony ny hira fanajana

1 - Dony ny hira fanajana
Sy fiderana Zanahary ;
Ry manana aina, miankohofa eo anatrehan'i Jesoa. (3)


2 - Izay miery ao anatin'
Ny endri-mofo sy divay ;
Izy tokoa no Zanahary nanao sy nanavotra antsika. (3)


3 - Ry Tompo mamin'ny fonay e,
Velomy ao anatinay
Finoana mafy sy fitiavana hoentinay mandray Anao. (3)
 

Nampiditra pissoa
Sokajy Komonio
Fihirana Dera p. 86
Fihirana Hasina p. 433
Fihirana Vaovao p. 370
Vavaka sy Hira p. 750
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098