Faingàna re, ry ora sarobidy

1 -Faingàna re, ry ora sarobidy
Handraisako ny Tompo mamiko :
Fa ela loatra izay niandrasako izay
Izaho te-handray ny Tompoko.

Fiv: Ry Jesoa Hostia mamin'ny fonay e
Avia re anjakao izahay e ;
Fa Ianao no Zoky malalanay e
'Zay tianay hiray tena aminay.
Ry Jesoa Hostia mamin'ny fonay e
Avia re, anjakao izahay.

2 - Tsy fantatro 'zay fanomezana mety
Hatolotro ny Tompo mamiko :
Ny foko re no omeko Anao, Jesoa ô,
Fa ny foko no tadiavinao.

3 - Atolotro Anao, Andriamanitra,
Ny tenako sy ny fanahiko :
Ny zavatra angatahiko aminao
Dia ny tsy hiala amin'ny tongotrao.

Nampiditra pissoa
Sokajy Komonio
Fihirana Dera p. 85
Fihirana Hasina p. 460
Fihirana Vaovao p. 374
Vavaka sy Hira p. 742
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728