Mino 'zahay, ry Jesoa, fa Ianao tokoa no herinay

1 - Mino 'zahay, ry Jesoa, mino 'zahay
Fa Ianao tokoa no herinay.
Anatin'ny Hostia, Ianao no haninay
Mino 'zahay ry Jesoa, mino 'zahay.

2 - Anao 'zahay, ry Jesoa, Anao 'zahay
Atolotray Anao ny hevitray
Am-pelananao ny tenanay rehetra :
Mba raiso re ry Jesoa, fa Anao 'zahay.

3 - Omeo anay, ry Tompo, 'zay fo mahery
Hoentinay manompo Anao irery.
Hazony izahay ho Anao samy irery
Tompo omeo anay 'zay fo mahery.

4 - Eo Aminao, ry Jesoa no tianay
Hatao fonenanay mandrakizay.
Ny Fonao, Tompo ô no fialofanay
Ka ho faty izahay eo Aminao

Nampiditra pissoa
Sokajy Komonio
Fihirana Dera p. 84
Fihirana Hasina p. 187
Fihirana Vaovao p. 376
Vavaka sy Hira p. 748
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096