Vonjeo 'zahay, ry Tompo ô vonjeo

Vonjeo 'zahay, ry Tompo ô       Vonjeo 'zahay e,
Manonja be ny ranomasina e    Vonjeo 'zahay e,
Vonjeo 'zahay e,                      Vonjeo 'zahay e:
Aza avela ho very e, fa matoky anao.
 
1 Ny alina indro fa tamy, ny haizina efa mandrakotra:
 Irery izahay e!
 Ny rivotra mifofofofo, ny rano misamboaravoara
 Hitelina anay e!
 
2 Mba miady anie ka mivoy, miezaka handresy ny onja...
 Ny lakana hazo marefo, ny rano tsaroana fa lalina...
 
3 Marisika anie ny fanahy, ny nofo tsaroana fa osa...
 Matahotra loza sy aretina, indrindra ny fahafatesana...
 
4 Manaloka ity tanindrazana ny haizin'ny fankahalana...
 Ny vola no tena tompoina, manjaka ny fitiavan-tena...
 
5 Ny voaangonao anie voaenjika sady ilaozana...
 Ny sambon'ity Fiangonana atontan'ny onja aman-drivotra...
 
6 Ny rivotra mbola hisava, ny onja, tsy ela, hitony,
 Ry kely finoana!
 Tsarovy ny sambon'i Piera: Izaho Jesoa Andriamanitra
 Eto aminareo e!
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 319
Fihirana Vaovao p. 69
Vavaka sy Hira p. 535
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097