Tompo ô, inona re no hatolotro anao, mba hisaorako anao?

1 Tompo ô, Tompo ô, (ry Tompo)
 Inona re no hatolotro anao mba hisaorako anao e
 Amy soa sesehena vitanao?
 Atolory ahy ireny tanam-polonao
 Hofenoiko raki-tsoa tena ampoka. (indroa)
 
2 Tompo ô, Tompo ô, (ry Tompo)
 Inona re no hatolotro anao mba hisaorako anao e
 Am'ireo raki-tsoa nafafinao?
 Atolory ahy ireny faharerahanao
 Hosoloiko hery vao tsy hay tohaina. (indroa)
 
Eny e, Tompo ô,
Atolotro anao amim-pitokiana izany
Hisaroako anao e:
Misaotra e, misaotra e
Mankasitraka, mankatelina.

3 Tompo, Tompo ô, (ry Tompo)
 Inona re no hatolotro anao mba hisaorako anao e
 Amy hery tsy hay tohaina sitrakao
 Atolory ahy ireny tsy fahaizanao
 Hosoloiko fahendrena tsy hay toherina. (indroa)
 
4 Tompo ô, Tompo ô, (ry Tompo)
 Inona re no hatolotro anao mba hisaorako anao e
 Amy fahendrena soa navelanao?
 Atolory ahy ireny fahorianao
 Hosoloiko fanavotana ny namana. (indroa)
 
5 Tompo ô, Tompo ô, (ry Tompo)
 Inona re no hatolotro anao mba hisaorako anao e
 Amy fanavotanao sarobidy?
 Atolory ahy ireny helokao ireny e
 Hosoloiko ilay fitiavana tsy levona. (indroa)

 
 

Nampiditra Belle
Fihirana Dera p. 270
Fihirana Hasina p. 317
Fihirana Vaovao p. 536
Vavaka sy Hira p. 812
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1002